2 Kings 5:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Namàna: Mandraisa talenta roa. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary ireo nitondra izany teo anoloan’i Gehazy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Naamàna: «Aoka re ho talenta roa no horaisinao.» Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasàka roa ny talenta roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin’ny mpanompony roa lahy izay hoentiny eo alohan’i Giezỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Nahamàna: –Volafotsy enimpolo kilao re entina e! Notereny handray izany i Gehazỳ, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin’ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an’i Gehazỳ ireo rehetra ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Namàna: Mandraisa talenta roa. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary ireo nitondra izany teo anoloan’i Gehazy.
malagasy