2 Kings 5:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa i Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ilay nihodina niala tamin’ny kalesy hitsena anao Ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy va izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Elisea taminy: «Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin’ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na ôliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray i Elisà: –Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao;
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa i Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ilay nihodina niala tamin’ny kalesy hitsena anao Ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy va izao?
malagasy
Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.