2 Kings 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy dia nitondra ilay taratasy ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely nilaza hoe: Rehefa tonga atỳ aminao ity taratasy ity dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’i Namàna mpanompoko hankaty aminao aho, koa afaho amin’ny habokany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe: «Rehefa tonga etỳ aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atỳ aminao i Naamàna mpanompoko, mba hositraninao amin’ny habokany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolony ny mpanjakan’i Israely ny taratasy milaza hoe: «Alefako atỳ aminao miaraka amin’ity taratasy ity i Nahamàna filohan-tafiko mba hositraninao amin’ny aretin-kodiny.»
Malagasy Bible 1865
Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy dia nitondra ilay taratasy ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely nilaza hoe: Rehefa tonga atỳ aminao ity taratasy ity dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’i Namàna mpanompoko hankaty aminao aho, koa afaho amin’ny habokany izy.
malagasy