2 Kings 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony novakin’ny mpanjakan’ny Israely ny taratasy dia nandriatra ny fitafiany izy ka niteny hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan’ilehiny iraka hankaty amiko mba hanafahako olona amin’ny habokany? Koa miangavy anareo aho, fantaro sy zahao fa mila ady amiko mihitsy izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao voavakin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy sady niteny hoe: –Andriamanitra angaha aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan’ilehiny olona hositranina amin’ny aretin-kodiny? Jereonareo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony novakin’ny mpanjakan’ny Israely ny taratasy dia nandriatra ny fitafiany izy ka niteny hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan’ilehiny iraka hankaty amiko mba hanafahako olona amin’ny habokany? Koa miangavy anareo aho, fantaro sy zahao fa mila ady amiko mihitsy izy!
malagasy