2 Kings 5:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’i Elisa, lehilahin’Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ny Israely dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka izy hilaza hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankaty amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ato amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe: notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe: «Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ren’i Elisà olon’Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’i Israely, dia naniraka hankany amin’ny mpanjaka izy nanao hoe: –Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankatỳ amiko i Nahamàna mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’i Elisa, lehilahin’Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ny Israely dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka izy hilaza hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankaty amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ato amin’ny Israely.
malagasy