2 Kings 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia sosotra indrindra ny mpanjakan’i Arama noho izany zavatra izany. Koa niantso ny mpanompony izy ary niteny taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay olona eto amintsika miandany amin’ny mpanjakan’ny Israely?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampanahy mafy ny mpanjakan’i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe: –Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an’ny mpanjakan’i Israely?
Malagasy Bible 1865
Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia sosotra indrindra ny mpanjakan’i Arama noho izany zavatra izany. Koa niantso ny mpanompony izy ary niteny taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay olona eto amintsika miandany amin’ny mpanjakan’ny Israely?
malagasy