2 Kings 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nifoha vao maraina ny zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra ka nivoaka ny trano, dia indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy fitondra miady manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana ny hataontsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon’i Elisà ka nivoaka ny tanàna, dia nahita ireo miaramila mbamin’ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna, ary niteny tamin’i Elisà hoe: –Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nifoha vao maraina ny zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra ka nivoaka ny trano, dia indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy fitondra miady manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana ny hataontsika?
malagasy