2 Kings 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany! Ary NY TOMPO nampahiratra ny mason’ilay zatovo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo fitondra miady manodidina an’i Elisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisà.
Malagasy Bible 1865
Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany! Ary NY TOMPO nampahiratra ny mason’ilay zatovo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo fitondra miady manodidina an’i Elisa.
malagasy