2 Kings 6:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo dia hoy i Elisa: TOMPO ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahita izy! Ary NY TOMPO nampahiratra ny masony dia hitany fa indro, tao afovoan’i Samaria izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nony tafiditra tao Samaria izy, dia hoy i Elisea: «Iaveh ô, sokafy ny mason’ireto olona ireto, mba hahitany.» Nosokafan’i Iaveh ny mason’izy ireo dia nahita, ka indro fa tao afovoan’i Samaria izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisà hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ireto mba hahitany ankehitriny. Koa rehefa nosokafan’ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan’i Samaria.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo dia hoy i Elisa: TOMPO ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahita izy! Ary NY TOMPO nampahiratra ny masony dia hitany fa indro, tao afovoan’i Samaria izy.
malagasy
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.