2 Kings 6:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy izy hoe: Aza vonoinao izy; moa hovonoinao va izay nobaboinao tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny, ary aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly i Elisea hoe: «Aza mamely. Izay azonao babo tamin’ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ny navalin’i Elisà: –Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin’ny sabatra na tamin’ny tsipîka? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin’ny tompony.
Malagasy Bible 1865
Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.