2 Kings 6:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo dia nampandehaniny ka nankany amin’ny tompony. Koa tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny mpihantsy adin’i Arama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nasain’ny mpanjakan’i Israely nanaovana fanasana lehibe izy ireo, dia nihinana sy nisotro, vao nalefany handeha ho any amin’ny tompony. Izay dia tsy niverina tamin’ny tanin’i Israely intsony ny mpitoha ady Sirianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanaovan’ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin’ny tompony. Natsahatr’ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin’ny tanin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo dia nampandehaniny ka nankany amin’ny tompony. Koa tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny mpihantsy adin’i Arama.
malagasy