2 Kings 6:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy mosary mafy tany Samaria. Mafy ny fahirano ka loham-boriky iray aza dia lafo sekela valopolo, ary taim-boromailala ampahefatry ny kaba dia nosandaina sekela dimy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy mosary lehibe tao Samaria, ary indro fa mafy loatra no nanaovana fahirano azy ka lafo volafotsy valopolo sikla ny loham-boriky iray, ary volafotsy dimy sikla, ny taim-boromahailala ampahefatry ny kaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mosary lehibe tao Samaria noho izany, ka dia nahatratra sekela valopolo ny vidin’ny loham-boriky iray ary sekela dimy ny taim-boromahailala roanjato grama.
Malagasy Bible 1865
Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy mosary mafy tany Samaria. Mafy ny fahirano ka loham-boriky iray aza dia lafo sekela valopolo, ary taim-boromailala ampahefatry ny kaba dia nosandaina sekela dimy.
malagasy
Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.