2 Kings 6:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandre ny tenin-dRavehivavy ny mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany. Ary nandalo teny ambonin’ny manda izy ka hitan’ny olona fa indro, lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre ny tenin’io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan’ny vahoaka, ka indro ambanin’ny fitafiany, nitafy lasàka manolo-koditra azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nandehandeha teny ambonin’ny manda izy mba ho hitan’ny olona fa mitafy akanjo gony manolo-koditra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandre ny tenin-dRavehivavy ny mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany. Ary nandalo teny ambonin’ny manda izy ka hitan’ny olona fa indro, lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
malagasy
Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]