2 Kings 6:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary nipetraka teo akaikiny ny loholona. Ary ny mpanjaka dia nandefa iraka nialoha lalana azy. Raha tsy mbola tonga tany amin’i Elisa anefa iny iraka iny dia hoy izy tamin’ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Jereo, fa rehefa avy ny iraka dia arindrino ny varavarana ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aorianany koa va ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony i Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin’i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy i Elisea tamin’ny loholona: «Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo fa rehefa tonga ny iraka, dia akatòny ny varavarana, tereo amin’ny varavarana izy Injay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Elisà tao an-tranony tamin’izay ny loholon ’ny tanàna, ary naniraka olona hankeo aminy kosa ny mpanjaka. Kanjo raha tsy mbola tonga akory ilay iraka, dia hoy i Elisà tamin’ny loholona: –Jereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay mpamono olona iny. Koa mitandrema ianareo fa raha avy ilay iraka, dia hidio ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy efa renareo koa ve ny famindran’ny tompony izay manara-dia azy?
Malagasy Bible 1865
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary nipetraka teo akaikiny ny loholona. Ary ny mpanjaka dia nandefa iraka nialoha lalana azy. Raha tsy mbola tonga tany amin’i Elisa anefa iny iraka iny dia hoy izy tamin’ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Jereo, fa rehefa avy ny iraka dia arindrino ny varavarana ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aorianany koa va ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony?
malagasy
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?