2 Kings 6:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, nidina nankao aminy ny iraka ka niteny hoe: Indro, izao loza izao dia avy amin’NY TOMPO! Koa inona intsony no anantenako NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola niteny tamin’ireo izy, dia tafidina nankeo aminy sahady ilay iraka, ka nanao hoe: «Indro avy amin’i Iaveh izao loza izao, ka inona intsony no azoko antenaina amin’i Iaveh?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny i Elisà dia tonga ny mpanjaka nanao hoe: –Ny TOMPO no mandefa amintsika izao loza rehetra izao! Ka inona intsony no azoko antenaina aminy?
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, nidina nankao aminy ny iraka ka niteny hoe: Indro, izao loza izao dia avy amin’NY TOMPO! Koa inona intsony no anantenako NY TOMPO?
malagasy
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?