2 Kings 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nikapa hazo anefa ny iray dia latsaka tany anaty rano ny lelam-pamaky ka nitaraina izy hoe: Indrisy, tompoko, zavatra nindramina ange iny e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo latsaka tany anaty rano ny lela famakin’ny anankiray tamin’izy ireo, tamin’ny nikapany sakamandimby ka nikiaka indray niantso izy nanao hoe: «Indrisy, tompoko! sady zavatra nindramina iny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola nikapa ny hazony kosa ny iray tamin’ireo, dia nipitsika tany anaty rano ny lelam-pamakiny, ka nampiantsoantso azy hoe: –Loza, tompoko, fa famakin’olona nindramina iny!
Malagasy Bible 1865
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nikapa hazo anefa ny iray dia latsaka tany anaty rano ny lelam-pamaky ka nitaraina izy hoe: Indrisy, tompoko, zavatra nindramina ange iny e!
malagasy
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]