2 Kings 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa i Elisa: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO: Rahampitso toy izao dia ho sekela iray ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea, ary ho sekela iray koa ny vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea eo am-bavahadin’i Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Elisea: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo. Izao no lazain’i Iaveh: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny navalin’i Elisà: –Izao no lazain’ny TOMPO, koa henoinareo: «Rahampitso toy izao dia samy ho sekela iray ihany no vidin’ny lafarinina 12 kilao na ny vary ôrza 24 kilao eny an-tsena eo am-bavahadin’i Samaria.»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa i Elisa: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO: Rahampitso toy izao dia ho sekela iray ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea, ary ho sekela iray koa ny vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea eo am-bavahadin’i Samaria.
malagasy
Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]