2 Kings 7:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa ireo niantso ny mpiambina ny vavahadin’ny tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin’ny Arameana izahay ary indro, tsy misy olona ao na feon’olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny tranolay nilaozana fotsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazàna nataony: «Nitsofoka tany an-tobin’ny Sirianina izahay, ka indro tsy misy olona, na feon’olona akory, fa soavaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin’ny toetra nananganana azy no hany ao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.
Malagasy Bible 1865
Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa ireo niantso ny mpiambina ny vavahadin’ny tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin’ny Arameana izahay ary indro, tsy misy olona ao na feon’olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny tranolay nilaozana fotsiny.
malagasy