2 Kings 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifoha ny mpanjaka raha mbola alina ka niteny tamin’ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ny Arameana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika ka niala tamin’ny toby izy mba hanao vela-pandrika any an-tsaha ka niteny hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna ireo dia hataontsika sambo-belona dia hidirantsika ny tanàna!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin’ny mpanompony hoe: «Tiako hambara aminareo izay ataon’ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin’ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rehefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifoha mbola alina ny mpanjaka ka niteny tamin’ny minisitra hoe: –Hampahafantariko anareo izay kotrehin’ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka izany no nandaozany ny tobiny sy niafenany any an-tsaha ary iandrasany izay hivoahantsika ny tanàna mba hanaovany sambo-belona antsika, dia hidirany amin’izay ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifoha ny mpanjaka raha mbola alina ka niteny tamin’ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ny Arameana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika ka niala tamin’ny toby izy mba hanao vela-pandrika any an-tsaha ka niteny hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna ireo dia hataontsika sambo-belona dia hidirantsika ny tanàna!
malagasy