2 Kings 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa ny mpanompony iray: Mifona aminao aho, aoka hakana soavaly dimy amin’izay sisa ato an-tanàna. Indro, toy ny manjo ny hamaroan’ny Israely rehetra izay mitoetra ato ny hanjo azy ireo; eny, tahaka ny hamaroan’ny Israely rehetra izay efa lany ritra ny hahalany ritra azy ireo. Aoka alefantsika ireo dia ho hitantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Aoka ny dimy amin’ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, - fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin’i Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy maro amin’i Israely izay mandroso ho faty, - ka alefaontsika hizaha izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly ny minisitra iray ka nanao hoe: –Aoka hakana dimy amin’ireo soavaly sisa tavela ato an-tanàna; fa efa tandindomim-paharinganana tahaka ny Israelita rehetra monina ato ireo; koa aoka hisy olona halefantsika hitaingina ireo ka hijery izay miseho any.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa ny mpanompony iray: Mifona aminao aho, aoka hakana soavaly dimy amin’izay sisa ato an-tanàna. Indro, toy ny manjo ny hamaroan’ny Israely rehetra izay mitoetra ato ny hanjo azy ireo; eny, tahaka ny hamaroan’ny Israely rehetra izay efa lany ritra ny hahalany ritra azy ireo. Aoka alefantsika ireo dia ho hitantsika.
malagasy