2 Kings 7:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalainy ny kalesy fitondra miady roa sy ny soavaly miaraka aminy; ary nandefa iraka hanenjika ny miaramilan’ny Arameana ny mpanjaka ka niteny hoe: Mandehana ka jereo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalaina ny kalesy roa mbamin’ny soavaliny, ka nandefa ny olona hanaraka ny dian’ny tafiky ny Sirianina, ny mpanjaka, nanao hoe: «Mandehana ianareo mizaha azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’ny mpanjaka ireo soavaly sahaza kalesy roa; ary nisy miaramila mpisafo nirahiny hanara-dia ny tafika sirianina mba hijery izay miseho any.
Malagasy Bible 1865
Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalainy ny kalesy fitondra miady roa sy ny soavaly miaraka aminy; ary nandefa iraka hanenjika ny miaramilan’ny Arameana ny mpanjaka ka niteny hoe: Mandehana ka jereo!
malagasy
Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.