2 Kings 7:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra dia feno fitafiana sy fitaovana izay narian’ny Arameana tamin’ny nandosirany tamin’ny fahatairany. Dia niverina ny iraka ka nilaza tamin’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalam-be rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian’ny Sirianina, tamin’ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nanaraka ny diany hatrany Jôrdàna ny mpisafo, ary indreny hitany manerana ny arabe ny fitafiana sy fitaovana maro izay narian’ny Sirianina noho izy dodona handositra. Dia niverina nampandre ny mpanjaka ireto iraka.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra dia feno fitafiana sy fitaovana izay narian’ny Arameana tamin’ny nandosirany tamin’ny fahatairany. Dia niverina ny iraka ka nilaza tamin’ny mpanjaka.
malagasy