2 Kings 7:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka namabo ny tobin’ny Arameana. Koa ny koba tsara toto eran’ny sea dia sekela iray monja no vidiny, ary ny varimbazaha indroan’ny sea dia sekela iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivoaka namabo ny tobin’ny Sirianina ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan’ny famarana, araka ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nivoaka ny tanàna ireo mponin’i Samaria ka nandroba ny tobin’ny Sirianina. Koa araka ny efa nambaran’ny TOMPO, ny vidin’ny lafarinina 12 kilao na ny vary ôrza 24 kilao dia samy sekela iray ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka namabo ny tobin’ny Arameana. Koa ny koba tsara toto eran’ny sea dia sekela iray monja no vidiny, ary ny varimbazaha indroan’ny sea dia sekela iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’NY TOMPO.
malagasy