2 Kings 7:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay mpanampy ny mpanjaka izay nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany dia notendreny hiambina ny vavahady; voahitsakitsaka teo am-bavahady anefa izy ka maty araka izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra, dia ilay nolazainy raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io; ka maty, araka ilay teny voalazan’ny olon’Andriamanitra, tamin’ny mpanjaka nidina tany aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’ny mpanjaka hanara-maso ny tsena eo am-bavahady ny dekà izay nianteherany; nefa dia voahitsakin’ny olona teo izy ka maty araka ny efa nambaran’i Elisà mpaminany, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay mpanampy ny mpanjaka izay nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany dia notendreny hiambina ny vavahady; voahitsakitsaka teo am-bavahady anefa izy ka maty araka izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra, dia ilay nolazainy raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
malagasy