2 Kings 7:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tanteraka ny teny nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka hoe: Raha maraina toy izao eo am-bavahadin’i Samaria dia sekela iray monja no ho vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea ary ho sekela iray ihany koa ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany tokoa, satria raha niteny tamin’ny mpanjaka ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria,»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tanteraka araka izany izay nolazain’ilay olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka hoe: «Rahampitso toy izao eny an-tsena eo am-bavahadin’i Samaria, dia samy ho sekela iray ihany no vidin’ny vary ôrza 24 kilao na ny lafarinina 12 kilao.»
Malagasy Bible 1865
Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tanteraka ny teny nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka hoe: Raha maraina toy izao eo am-bavahadin’i Samaria dia sekela iray monja no ho vidin’ny varimbazaha indroan’ny sea ary ho sekela iray ihany koa ny vidin’ny koba tsara toto eran’ny sea.
malagasy