2 Kings 7:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany mpanampy ny mpanjaka izany no niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely eny amin’ny lanitra aza va NY TOMPO dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy i Elisa tamin’izay: Indro, ho hitan’ny masonao tokoa izany nefa tsy mba hihinananao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia namaly ny olon’Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Ary i Elisea efa nanao hoe: «Indro fa ho hitan’ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’ilay dekàn’ny mpanjaka tamin’izay: «Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo?» Ary hoy i Elisà: «Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.»
Malagasy Bible 1865
ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany mpanampy ny mpanjaka izany no niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely eny amin’ny lanitra aza va NY TOMPO dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy i Elisa tamin’izay: Indro, ho hitan’ny masonao tokoa izany nefa tsy mba hihinananao.
malagasy
ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.