2 Kings 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hoy isika hoe: Andeha hiditra ao an-tanàna, mosary no ao an-tanàna ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin’ny tobin’ny Arameana; koa raha mamela antsika ho velona moa izy dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy dia ho faty ihany isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin’ny Sirianina: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tapa-kevitra hankao an-tanàna isika, dia ho faty satria misy mosary ao; kanefa raha hijanona eto isika, dia ho faty ihany koa! Koa andeha isika hankany amin’ny tobin’ny Sirianina hitolo-batana aminy. Raha avelany ho velona aina isika, dia ho velona; fa raha vonoiny ho faty isika, dia tsy maintsy ho faty!
Malagasy Bible 1865
Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hoy isika hoe: Andeha hiditra ao an-tanàna, mosary no ao an-tanàna ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin’ny tobin’ny Arameana; koa raha mamela antsika ho velona moa izy dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy dia ho faty ihany isika.
malagasy