2 Kings 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO efa nahatonga ny miaramilan’ny Arameana handre fikodiadian’ny kalesy fitondra miady sy fandehan-tsoavaly, dia ny firodondrodon’ny miaramila maro; ary nifampiresaka izy ireo hoe: Injao, ny mpanjakan’ny Israely dia nanakarama ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Ejiptiana hiady amintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tobin’ny Sirianina manko efa nampandrenesan’ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: «Efa nokaramain’ny mpanjakan’i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!»
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady amintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO efa nahatonga ny miaramilan’ny Arameana handre fikodiadian’ny kalesy fitondra miady sy fandehan-tsoavaly, dia ny firodondrodon’ny miaramila maro; ary nifampiresaka izy ireo hoe: Injao, ny mpanjakan’ny Israely dia nanakarama ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Ejiptiana hiady amintsika.
malagasy