2 Kings 7:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ny toby ireo boka ireo dia niditra tao amin’ny tranolay iray izy ka nihinana sy nisotro dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, avy eo dia nandeha ka nanafina izany. Ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ny tranolay hafa koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsofoka tamin’ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin’ny fidiran’ny toby, ary rehefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina azy. Niverina indray izy nitsofoka tamin’ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga teo an-tsisiny farany indrindra amin’ny toby àry ireto marary hoditra efa-dahy. Dia niditra ny lay anankiray izy ka nihinana sy nisotro tamin’izay sakafo tao, avy eo naka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka lasa nanafina izany; dia niditra ny lay anankiray hafa indray izy, ary naka zavatra isan-karazany ka lasa nanafina izany koa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ny toby ireo boka ireo dia niditra tao amin’ny tranolay iray izy ka nihinana sy nisotro dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, avy eo dia nandeha ka nanafina izany. Ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ny tranolay hafa koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
malagasy