2 Kings 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Tsy mety izao ataontsika izao. Ity andro ity dia andro filazana vaovao mahafaly, kanefa isika mangina; raha miandry mandra-paharain’ny andro isika dia tsy ho afa-mandositra ny sazy; fa andeha isika hampandre ny ao an-tranon’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: «Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan’ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia àry handeha isika hilaza amin’ny ao an-tranon’ny mpanjaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nifampiresaka ireo marary hoditra efa-dahy nanao hoe: –Tsy tsara izao zavatra ataontsika izao. Androm-baovao mahafaly anio. Koa raha tanantsika ho antsika samirery izany ka iandrasantsika ny fahazavan’ny andro, dia hofaizin’Andriamanitra tokoa isika. Fa andeha isika hankao an-tanàna ary hampilaza izany vaovao izany ao an-dapan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Tsy mety izao ataontsika izao. Ity andro ity dia andro filazana vaovao mahafaly, kanefa isika mangina; raha miandry mandra-paharain’ny andro isika dia tsy ho afa-mandositra ny sazy; fa andeha isika hampandre ny ao an-tranon’ny mpanjaka.
malagasy