2 Kings 8:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Elisa niteny tamin-dRavehivavy, renin’ilay zaza novelominy indray hoe: Miaingà ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’izay azonao ivahiniana; fa NY TOMPO efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay vehivavy maty anaka novelomin’i Elisea, dia efa nilazany hoe: «Miaingà ianao, ka mandehana mitoetra any amin’izay azonareo itoerana any, ianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary I Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taona amin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia niteny tamin’ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisà, ka nanao hoe: –Mialà eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindrà monina any amin’izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin’ny tanin’i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.
Malagasy Bible 1865
Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Elisa niteny tamin-dRavehivavy, renin’ilay zaza novelominy indray hoe: Miaingà ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’izay azonao ivahiniana; fa NY TOMPO efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ny tany.
malagasy
[Ny amin'ny nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.