2 Kings 8:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary hoy izy hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ny Zanak’Israely: Ny fiarovany mafy dia hodoranao, ny zatovony dia hovonoinao amin’ny sabatra, ny zanany madinika dia hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy dia hotatahanao ny kibony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Hazaela: «Nahoana no mitomany ny tompoko?» Dia hoy ny navalin’i Elisea: «Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin’ny zanak’i Israely. Hodoranao amin’ny afo ny tanànany mimanda: hovonoinao amin’ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon’ny vehivavy bevohoka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nanontany azy i Hazaela hoe: –Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin’i Elisà: –Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin’ny Israelita: hodoranao ny tanànamimandany; hovonoinao ho faty amin’ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohòka eo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary hoy izy hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ny Zanak’Israely: Ny fiarovany mafy dia hodoranao, ny zatovony dia hovonoinao amin’ny sabatra, ny zanany madinika dia hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy dia hotatahanao ny kibony.
malagasy