2 Kings 8:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisaraka tamin’i Elisa izy ka nankany amin’ny tompony; ary nanontany azy izy hoe: Ahoana no nolazain’i Elisa taminao? Dia namaly izy hoe: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala teo amin’i Elisea i Hazaela dia niverina nankao amin’ny tompony, ka nanontaniany hoe: «Ahoana no nolazain’i Elisea taminao?» Ary namaly izy hoe: «Izao no nolazainy: ‹Ho velona marina tokoa ianao.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandao an’i Elisà i Hazaela ka niverina tany amin’ny tompony izay nanontany azy hoe: –Ahoana hoy i Elisà taminao? Hoy kosa ny navalin’i Hazaela: –Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.
Malagasy Bible 1865
Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisaraka tamin’i Elisa izy ka nankany amin’ny tompony; ary nanontany azy izy hoe: Ahoana no nolazain’i Elisa taminao? Dia namaly izy hoe: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao!
malagasy
Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.