2 Kings 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitso dia nalain’i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ny rano ary nasarony ny tavan’i Beny-Hadada ka maty ny mpanjaka; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampitson’izay naka firakofana anankiray i Hazaela natsobony tamin’ny rano, dia nasarony ny tavan’ny mpanjaka, ka maty io; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso anefa, dia naka bodofotsy anankiray i Hazaela; natsobony tao anaty rano izany ka nasarony ny tavan’i Bena-Hadada hanempotra azy. Dia maty ny mpanjaka, ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitso dia nalain’i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ny rano ary nasarony ny tavan’i Beny-Hadada ka maty ny mpanjaka; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
malagasy
Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.