2 Kings 8:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, na dia mbola mpanjakan’i Joda aza i Jôsafata. Feno 32 taona izy fony vao nanjaka,
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
malagasy
[Ny nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.