2 Kings 8:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa nankany Zaira i Jehorama ary noentiny niaraka taminy ny kalesy fitondrany miady rehetra; nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy mbamin’ny mpitondra kalesy; ary ny olona dia nandositra ho any an-dainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nankany Seirà i Jôrama nomban’ny kalesy rehetra; nifoha mbola alina izy namono ny Edômita manodidina azy, sy ny lehiben’ny kalesy, ary nandositra nankany an-dainy ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nankany Tsahirà niaraka tamin’ny kalesiny rehetra manko i Jôrama. Nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita; ary nandositra nankany an-dainy ny tafika jodeanina.
Malagasy Bible 1865
ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa nankany Zaira i Jehorama ary noentiny niaraka taminy ny kalesy fitondrany miady rehetra; nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy mbamin’ny mpitondra kalesy; ary ny olona dia nandositra ho any an-dainy.
malagasy
ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.[Heb. ho any an-dainy]