2 Kings 8:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Roa amby roapolo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry, mpanjakan’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa roa amby roapolo taona i Okoziasa, fony tonga mpanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Atalia, zanak’i Amrì, mpanjakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno 22 taona i Ahazià fony vao nanjaka, ary herintaona ihany no nanjakany tany Jerosalema. Hatalià no anaran-dreniny izay vavimatoan’i Hômrỳ mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Roa amby roapolo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry, mpanjakan’ny Israely.
malagasy
Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.