2 Kings 8:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niaraka tamin’i Jehorama zanak’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tany Ramota-Gileada; ary ny Arameana dia nahavoa an’i Jehorama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niara-nandeha tamin’i Jôrama, zanak’i Akaba izy, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta, any Galaada. Voaratran’ny Sirianina i Jôrama,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niara-dia tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria tany Ramôta Gilehada kanjo naratran’ny Sirianina i Jôrama.
Malagasy Bible 1865
Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niaraka tamin’i Jehorama zanak’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tany Ramota-Gileada; ary ny Arameana dia nahavoa an’i Jehorama.
malagasy
Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.