2 Kings 8:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina tany Jezirela i Jehorama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny feriny; izany dia tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jehorama zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’i Joda, satria narary izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin’ny ratra namelezan’ny Sirianina azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Nidina i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba ao Jezrahela fa narary izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niverina tao Jizrehela i Jôrama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.
Malagasy Bible 1865
Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina tany Jezirela i Jehorama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny feriny; izany dia tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jehorama zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’i Joda, satria narary izy.
malagasy