2 Kings 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nilazalaza tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nameloman’i Elisa ny maty izy dia indro, ilay vehivavy, renin’ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ny mpanjaka ny amin’ny tranony sy ny taniny. Ary hoy i Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’i Elisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola niresaka tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nananganan’ny tompony olona iray amin’ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin’ny zaza maty novelomin’i Elisea, nanomboka nitalaho tamin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany, ka hoy i Giezỳ: «Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin’i Elisea.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola notantarain’i Gehazỳ tamin’ny mpanjaka ny amin’ilay zaza maty izay novelomin’i Elisà, dia indro tonga nitaky ny tranony sy ny taniny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy. Ary hoy i Gehazỳ: –Io ilay vehivavy sy ny zanany izay novelomin’i Elisà indray, ry andriamanjaka!
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nilazalaza tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nameloman’i Elisa ny maty izy dia indro, ilay vehivavy, renin’ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ny mpanjaka ny amin’ny tranony sy ny taniny. Ary hoy i Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’i Elisa.
malagasy