2 Kings 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Elisa dia tonga tany Damaskosy, ary tamin’izay dia narary i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankany Damasa i Elisea: ary narary i Benhadada mpanjakan’i Siria, ka nilazan’ny olona izy, natao hoe: «Tonga eto ilay olon’Andriamanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia tonga tany Damasy i Elisà. Narary i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria tamin’izay; ary rehefa nisy nilaza taminy fa ao an-tanàna ilay olon’Andriamanitra,
Malagasy Bible 1865
Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Elisa dia tonga tany Damaskosy, ary tamin’izay dia narary i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’Andriamanitra.
malagasy
[Ny nilazan'i Elisa tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.