2 Kings 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa i Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana zakan’ny rameva efapolo. Ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary niteny hoe: I Beny-Hadada zanakao, mpanjakan’i Arama, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha nitsena azy i Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: «Irahin’i Benhadada mpanjakan’i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian’ity aretina ity va aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nihaona tamin’i Elisà i Hazaela nombàm-panomezana nentin’ny rameva efapolo, dia izay zava-tsoa isan-karazany tao Damasy. Rehefa tonga izy, dia nitsangana teo anatrehan’ny mpaminany sady nanao hoe: –I Bena-Hadada, mpanoa anao sady mpanjakan’i Siria, no naniraka ahy hankatỳ aminao mba hanontany anao raha ho sitrana amin’izao aretina izao ihany izy.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa i Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana zakan’ny rameva efapolo. Ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary niteny hoe: I Beny-Hadada zanakao, mpanjakan’i Arama, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao?
malagasy