2 Kings 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka niteny taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity ka mankanesa any Ramota-Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro i Elisà mpaminany dia niantso tovolahy iray anisan’ny andia-mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mivonòna ianao handeha, ka ento ity tavoara feno menaka ity, ary mankanesa any Ramôta-Gilehada.
Malagasy Bible 1865
Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka niteny taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity ka mankanesa any Ramota-Gileada.
malagasy
[Ny nanosorana an'i Jeho ho mpanjaka, sy ny namonoan'i Jeho an'i Jorama sy Ahazia ary Jezebela] Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;