2 Kings 9:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha nankao amin’ireo mpanompon’ny tompony i Jeho ka nanontanian’ireo hoe: Raharaha tsara ihany va no nalehan’iny ilay adala iny tao aminao? Hoy izy tamin’ireo: Ianareo ihany dia efa mahalala an-dRalehilahy sy ny heviny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Jehò nivoaka nankao amin’ny mpanompon’ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: «Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan’ilay adala iny tao aminao?» Dia hoy ny navalin’izy ireo: «Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nivoaka ny efitrano i Jehò, dia niverina nankeo amin’ny manamboninahitra hafa ka nanontanian’ireo hoe: –Tsara ihany ve ianao? Fa inona no notadiavin’ilay adala iny taminao? Hoy kosa ny navalin’i Jehò azy: –Fantatrareo ihany iny lehilahy iny sy ny redirediny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha nankao amin’ireo mpanompon’ny tompony i Jeho ka nanontanian’ireo hoe: Raharaha tsara ihany va no nalehan’iny ilay adala iny tao aminao? Hoy izy tamin’ireo: Ianareo ihany dia efa mahalala an-dRalehilahy sy ny heviny.
malagasy