2 Kings 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ireo: Lainga izany! Miangavy anao izahay, ambarao aminay! Dia hoy izy: Izao sy izao no nolazainy tamiko: Izao no lazain’NY TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’ny Israely Aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa namaly izy ireo nanao hoe: «Lainga izany, fa ambarao aminay izany!» ary hoy izy hoe: «Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray ireo: –Mandainga ianao. Ambarao aminay izay tena marina. Dia novaliany hoe: –Ireto avy no teny nataony tamiko: «Izao no lazain’ny TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’i Israely Aho!»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ireo: Lainga izany! Miangavy anao izahay, ambarao aminay! Dia hoy izy: Izao sy izao no nolazainy tamiko: Izao no lazain’NY TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’ny Israely Aho!
malagasy
Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.