2 Kings 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia samy nandray haingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’i Jeho eo amin’ny ambaratonga ambony amin’ny tohatra, ary nitsoka anjomara izy ka niantso hoe: I Jeho no mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia samy nanala faingana ny akanjobeny avy ny manamboninahitra rehetra ka namelatra azy teo amin’ny faratampon’ny tohatra anankiray mba hipetrahan’i Jehò. Ary notsofin’ny mpiangaly azy ny anjomara fa ny besinimaro teo kosa niantsoantso hoe: «I Jehò no mpanjaka.»
Malagasy Bible 1865
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia samy nandray haingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran’i Jeho eo amin’ny ambaratonga ambony amin’ny tohatra, ary nitsoka anjomara izy ka niantso hoe: I Jeho no mpanjaka!
malagasy
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.