2 Kings 9:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Jeho, zanak’i Josafata, zanak’i Nimsy dia nanao tetika hikomy tamin’i Jehorama. Tamin’izany anefa i Jehorama mbamin’ny Israely rehetra dia niaro an’i Ramota-Gileada tamin’ny fanafihan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao teti-dratsy i Jehò zanak’i Jôsafata, zanak’i Namsì, hamely an’i Jôrama. I Jôrama sy i Israely rehetra tamin’izany, dia niaro an’i Ramôta any Galaada, tsy ho azon’i Hazaela mpanjakan’i Siria,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany, ny tafik’i Israely manontolo dia niaro ny tanànan’i Ramôta-Gilehada tamin’ny fanafihan’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Kanjo raha niady tamin’i Hazaela i Jôrama mpanjaka, dia naratran’ny Sirianina. Koa dia nankao Jizrehela izy hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy. Ary nioko tamin’i Jôrama i Jehò zanakalahin’i Jôsafata sady zafikelin’i Nimsỳ ka niteny tamin’ireo manamboninahitra hafa hoe: –Raha vonona hanohana ahy ianareo, dia aza avela hisy olona hiala ny tanàna ka handeha hilaza izao zava-nitranga teto izao any Jizrehela.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;