2 Kings 9:15 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
saingy i Jehorama mpanjaka kosa dia efa niverina tany Jezirela mba hotsaboina tamin’ny feriny, tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Dia hoy i Jeho: Raha te ho velona koa ianareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna ka hoe handeha hilaza any Jezirela!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
saingy niverina nankany Jezrahela i Jôrama mpanjaka hampitsabo tena amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ka hoy i Jehò: «Raha maniry izany àry ianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka handeha hilaza izany any Jezrahela.»
Malagasy Bible 1865
Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
saingy i Jehorama mpanjaka kosa dia efa niverina tany Jezirela mba hotsaboina tamin’ny feriny, tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Dia hoy i Jeho: Raha te ho velona koa ianareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna ka hoe handeha hilaza any Jezirela!
malagasy