2 Kings 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana teo an-tampon’ny tilikambo fitiliana tao Jezirela ny mpitily ka nahatazana fa indrerỳ misy olona betsaka tamy niaraka tamin’i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Hoy i Jehorama: Makà mpitaingin-tsoavaly ka mandefasa iraka hitsena azy, ary asaivo miteny hoe: Fihavanana va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tazan’ny mpitily nitoetra tao an-tampon’ny tilikambon’i Jezrahela kosa ny niavian’ny antoko-miaramilan’i Jehò ka nolazainy hoe: «Mahatazana antoko-miaramila aho.» Ary hoy i Jôrama: «Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatazana olona betsaka tamy niaraka tamin’i Jehò ilay mpitily izay teo an-tampon’ny tilikambon’i Jizrehela, ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Mahatazana olona betsaka aho. Dia hoy i Jôrama: –Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena azy ireo ka hanontany azy hoe: «Fihavanana ve no ahatongavanareo?»
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana teo an-tampon’ny tilikambo fitiliana tao Jezirela ny mpitily ka nahatazana fa indrerỳ misy olona betsaka tamy niaraka tamin’i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Hoy i Jehorama: Makà mpitaingin-tsoavaly ka mandefasa iraka hitsena azy, ary asaivo miteny hoe: Fihavanana va?
malagasy