2 Kings 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly iray hitsena azy ka hiteny taminy hoe: Izao no tenin’ny mpanjaka: Fihavanana va? Hoy i Jeho: Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aorianako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha nitsena an’i Jehò ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia atỳ aoriako ianao!» Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa ny mpitaingin-tsoavaly iray nitsena ireo olona ireo ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny mpanjaka: «Fihavanana ve no ahatongavanareo?» Ary hoy ny navalin’i Jehò: –Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aoriako ianao. Tamin’izay kosa ilay mpitily no nilaza hoe: –Tonga teo amin-dry zareo ny iraka, nefa tsy niverina.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly iray hitsena azy ka hiteny taminy hoe: Izao no tenin’ny mpanjaka: Fihavanana va? Hoy i Jeho: Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aorianako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
malagasy